“Ady ny fiainana!” hoy ny fiteny fandre matetika. Misy foana ny olana ary samy manana ny anjara tandrify azy eny ny tsirairay. Tsy ho voatanisa ary tsy ho tanisaintsika koa satria tsy ny hitoetra amin’ny olana fa ny hihoaharana sy ny hamahana azy no zava-kendrentsika. Na inona na inona zava-mafy mianjady aminao, ity tononkalo nosoratan’i Rado na Andriamanantena George hofakafakaintsika ity no tano mafy hanome hery vao hiatrehana ny ady sarotry ny fiainana.

Olona iray mahatsapa ny hasarotan’ny lalam-piainana
no mifanena amintsika mpamaky. Olona iray tapa-kevitra fa na inona na inona
hasiaky ny fiainana dia tsy maintsy hivoaka mpandresy izy. Io olona iray io no manasongadina
ny hafatra lehibe avoitr’i Rado ao anaty tononkalo: tsy
misy olana mafy maharitra mandrakizay ka ilaina ny fiaretana sy ny finoana.

Andininy telo manana andalana 4 avy no mandrafitra ny
tononkalo ary samy miady rima, rima mifaningotra ny andalana tsirairay. Mirakitra
teny sarotra vitsivitsy ny tononkalo saingy tsy sakana tsy ahazoana ny tian’ny
mpanoratra ambara akory izany. Ny andinin’ny voalohan’ny tononkalo dia milaza
fa manao hosivoanjo ny sedra. Ny teny hoe ‘hosivoanjo’, ohatra, dia sary entina
ilazàna ny fahapotehana sy voka-dratsy tsy misy indrafo ateraky ny sedran’ny
fiainana. Ny hoe ‘malia’, teny entina amaritana ny fiainana, dia midika hoe
marefo na mora simba. Mora rava ny aina. Eo amin’ny andininy faharoa dia
tsindrian’ny mpanoratra fa ny herisetran’ny fiainana dia “masiaka fifioka” toy
ny rivo-doza ka mifofofofo mafy tsy mijanona. Iza tokoa moa no mahajanona ny
fahafatesana, ohatra? Diniho fa oharina amin’ny ‘havandra’ ny fahafatesana eo
amin’ny andinin’ny fahatelo. Loza mampijaly ny zanak’olombelona ary mampitondra
takaitra am-po manolatra mandrakizay ny fahafatesana. Toy ny havandra milatsaka
tampoka sy mitoraka maharary izay voany ny fahafatesana.

Iza àry no hahatohitra ny jalin’ny famoizana
olon-tiana? Iza no mahajoro anaty rivo-mahery mifioka sy mifaoka izay tandrify
azy? Ahoana no andresena tsy ho torotoron’ny sedra tsy miantran’ny fiainana? Ny
tononkalo ihany no efa mibitsika amintsika ny valin’izany. “Iaretako ireny”,
hoy Rado, satria mandalo ireny ary manam-petra ihany. Izay no finoany: tsy misy
havandra mijanona ho vato. Toa an-dRado, na efa maty aza izy, dia mitohy
hatrany ny kalom-balihany ary ny tonokalony dia mbola manohy mampitraka antsika
sy mampijoro antsika hiady amin’ny sedra sy hetraketraky ny fiainana.

Koa
raha ”mbola misy kalo azonao hiraina”, aoka tsy himalo, aoka tsy hihemotra!