Lalana teritery,
elakelan-trano zara raha misy hazavana no nitondrany ahy. Ny tanany fotsiny no
nofihiniko mafy. Somary nitodika izy nijery ahy sady nitsiky kely. Nahazo toky
ihany aho ka nanery ny foko nidobodoboka mafy mba hitony. Tsy misy tokony
ahiako, hoy aho anakampo, raha mbola izy no eto anilako.

Nandeha efa ho folo
minitra izahay namakivaky elakelan-trano, niampita arabe lehibe iray dia
nanaraka fefy tambohon’olona isan-karazany. Indraindray fohy ny tamboho sasany
ka miontana iray ihany ny foko isaky ny misy alikan’olona mivovò tampoka
mitsamboatra miakatra ny vavahady.

– Fa tsy afaka
miandry mazava ve ny dia alehantsika aty, ry Setra a?

– Efa kely sisa fa
andao e. Raha miandry rahampitso mety ho efa tara loatra.

Maizim-bolana
rahateo ny andro ka toy ny hoe hisy olona hifandona amin’ny tena foana isaky ny
fiolahana. Nony farany, nijanona izy. Tohatra hazo kely sy varavarana namoaka
hazavana mitsilopilopy amin’ny sisiny roa no manoloana ahy. Nitodika nibanjina
ahy izy. Tsy hitako ny endriny ao anaty haizina fa ny feony no nahalalako fa
tsy avy miaina mihetsi-po koa izy saingy manindry ny fihetseham-pony.

– Ny iangaviako
anao fotsiny, ry Hanta an…

Tsy mba mpanao ahy ”ianao” na mpiantso ahy ”ry Hanta” i Setra. Na faly
izy na tezitra dia ny “indry” ihany no mahavantana ny vavany.

– Hanta a, ny iangaviako anao dia…

– Inona e? Haingana
fa efa alina ny andro. Izaho efa te-hiverina hody.

– Aza miteny
n’inon’inona rehefa ato fa mihainoa fotsiny. Rehefa tonga any an-trano isika
tantaraiko anao ny zavatra rehetra.

– Fa nahoana?, hoy
aho, lasalasa ny vavako.

– Aza miteny
fotsiny, ho’aho, hoy izy mibitsibitsika mafy.

– Eny àry e, fa
ataovy haingana àry izay atao ato dia hody aloha araka izay azo atao isika.

– Tsy mino aho hoe
tafody izao alina izao isika fa aleo rahampitso rehefa mazava ny andro vao
mandeha.

Tsy faly aho saingy
tsy afa-manoatra satria efa teo ka atao ahoana fa dia izay izany. Nisokatra
moramora somary nidridry ilay varavarana teo alohanay. Aloka na vehivavy iray
no nanatona nivoaka nampandroso anay.

– Hay ve efa ato ianareo e? Midira àry fa efa ianareo sisa no nandrasako
anie e.

– Eny, tompoko, hoy Setra sady nisintona ahy teo amin’ny lantontanako
hiditra hanaraka azy.

Izaho nanaraka
fotsiny toy ny kofehy manara-panjaitra. Sady izay rahateo ny toromarika nomena
ahy moa. Efitra iray tsotra dia tsotra, tsy misy fanaka firy, no nampandrosoana
anay. Na labozia tokana mitsilopilopy aza no nanazava ilay efitra dia tazana
tsara daholo ny tao anatiny. Akalana avoavo roa no efa niandry teo
hipetrahanay. Ilay ramatoa nipetraka teo an-tongom-pandriana, ny tanany
mihazona ny sisim-parafara. Tsy dia zokinjokiny araka ny naminaniako azy ilay
izaho nahare ny feony tao an-tokontany ilay ramatoa fa tanora ihany. Raha misy
dia misy io, 24 na 25 taona toa ahy ihany, hoy aho an’eritreritra.

-Niova ny
programako, hoy izy mibanjina an’i Setra, sady hendry tsara koa izy androany,
angamba efa fantapantany ka io efa vitako omana aloha io izy dia azonareo
raisina.

Tsy nahita
olon-kafa ankoatra anay telo aho ka gagagaga ihany saingy tsy sahy firy
hitoditodika.

– Io ambony
latabatra io ny taratasy rehetra araka ny resantsika aninkeheo, azonareo
avadibadika rehefa tonga any an-trano ianareo, hoy ihany izy manohy ny teniny
sady manondro molotra ilay latabatra kely teo alohanay.

Tonga dia nandray
ny taratasy rehetra teo i Setra ka nampiditra azy tao anaty kitapony.
Nitsangana ilay ramatoa nandray ilay harona lamba lehibe niankina tery amin’ny
rindrina ankavanana sy nametraka azy teo an-tongotr’i Setra. Izy ilay nitsangana
iny no nahitako tsara fa hay zazakely anaty lamba no nandry natory tao ambadiny
saingy noheveriko ho lamba avy nosasana miandry hopasohana. Io zazakely io
izany ilay noresahiny teo hoe hendry tsara ka vitany omana mialoha sy azonay
raisina. I Setra no nojereko tsara avy hatrany. Ny lohany fotsiny no natodiny
tamin’ilay latabatra kely tsy misy n’inon’inona intsony teo amboniny.
Tera-tsemboka aho.

Nitsangana izy. Sady
izay rahateo angamba no nandrasan’ilay ramatoa nijajirika teo tsy niteny, tsy
nivolana intsony.

– Eny àry, tompoko, fa dia hiezaka handeha aloha izahay
dieny tsy alina loatra.

Tsy namaly ilay ramatoa no
sady tsy niala teo amin’ny nijoroany.

– Izaho no hitrotro an’i
Aina kely sa indry?, hoy i Setra nitodika taty amiko.

– Aleo hotrotroiko izy dia ianao no mitondra ny entana
mavesatra, hoy aho nitsangana moramora nanatona ny fandriana.

– Misaotra indrindra, tompoko, hoy ilay ramatoa amin’ilay
feony hentitra nefa koa mankasitraka. Ny nataoko sa ny nataon’i Setra no
nisaorany? Izay no tsy fantatro. Rehefa azoko antoka tsara fa voafihiko teo
an-trotroana ilay zaza dia ninia nanatona azy aho. Ny lohan’ilay zazakely
no nataoko nanakaiky azy.

– Hanoroka hanao veloma azy ianao?, hoy aho kendakenda
tampoka toa tsy hahaloa-peo.

– Efa nifanao veloma teo izahay mianaka ka, hoy izy tsy
nijery ahy akory fa ny takolak’ilay zazakely no nosafoiny kely.

Nitsiky mora izy avy eo sady nitraka nijery ahy. Tazako
manganohano ny masony niampanga ilay tsiky teo amin’ny tavany. Notarihiko
hivoaka ny trano i Setra dia niverin-dalana hody izahay.

Lalasoa (Gothenburg, taona 2015)