Ianao mipetraka eo amin’ny seza misy anao; izaho eto akaiky ihany. Akaiky nefa lavitra ihany koa. Ny vata fahitalavitra no mimenomenona mandefa ny sarin’ny mpitsoa-ponenana mankany Eropa. Ny masontsika samy mifantoka eo kanefa ny saina mikatsakatsaka zavatra samy hafa.

Ny hitanao, olona mandositra ady, lehilahy na vehivavy, ankizy avy nanao dia an-tongotra lavitra niala ny tanindrazany hamonjy ity sisin-tany nananganan’ny tompony raha tsy rindrim-be dia fefy tariby manilo. Io no ihoarana. Io no ihaniana. Io no holavahana. Raha tsara vintana dia tsy sendra ireo miaramila midaroka sy mamono izay tratrany ary hanohy ny dia indray ho any Eropa. Tany nofisina hanome fahafahana sy fiadanana. Mety ho tafita, mety ho rendrika.

Ny ahy ny saiko, ady hafa no alehany. Tolona hafa no hangovitany. Ny tolona hahazo segondra vitsy ahatsiarovanao hoe iza aho. Na izay ihany aza dia ho sambatra aho. Ny tantara averiko aminao, ny sary rehetra asehoko anao, ny hira fihiranao fahiny sy ny hevitra hafa rehetra heveriko hampitamberina ny fitadidianao, nandamòka avokoa. Ny tsy fahatsiarovanao no tamboho goavana feno tsilo lavahako, ihanihako isan’andro mandratra ahy isaky ny midaboka mianjera aho. Ady efa voatendry tsy handresena ny ahy. Malahelo mafy aho saingy tsy mba mahalatsa-dranomaso toy ireto mpitsoa-ponenana. Kely loatra ny heriko raha tsy ampianao aho.

Tsy voamariko akory fa hay tapitra ity fandaharana nojerentsika. Ianao manandrana mitsangana moramora miala ny seza no nanapaka ny eritreritro. Manontany mora toa mibitsibitsika ianao hoe: « Nankaiza i Mamanao teo? ».
Ankona sy tankina aho.
« Mamanao? ».
« Dada o, tadidinao ve aho? », hoy aho anakampo tsy nahaleo-bava.

Lalasoa (Gothenburg, taona 2015)