Iza no hanampo hoe iny mivoaka ny trano maraina iny, andeha
hamonjy asa, hiantsena na hihaona amin’ny namana dia loza no mitsena,
fahafatesana no hita? Iza no hanampo hoe iny ilay mijanona ao an-trano iny, mitafatafa
amin’ny vady na zanaka tiana, manao ny raharaha isan’andro na matory dia tonga tsy
miera ny fahafatesana? Iza no hanampo hoe mety hitranga na amin’iza na amin’iza
izany saingy tsy manam-potoana hisainana lalina izany ny tena. Satria miaina.
Variana miaina. Tsy anaty programa ny ho faty. Ny handingana io varavarana io
dia tsy hisy intsony.

Raha maty androany aho, betsaka ny zavatra noeritreretiko mbola
hatao saingy azoko afoy tanteraka satria efa niaina ny fiainana tiako niainana
aho. Efa niaina fahazazana sy fahatanorana tsy tonga lafatra nefa feno
fitiavana aho. Efa nandia taona maro nanantena niafara tamin’ny fahadisoam-panantenana
tanteraka. Efa nitomany ny ranomason’alaheloko rehetra aho. Efa nigoka ny
hamamin’ny hoe tiana sy lalaina. Efa nankafy ny segondra tsirairay niarahana
tamin’ny namana nanaovana hadalana sy nihomehezana. Efa nahita ny tsiron’ny hoe
nandray an-tanana ny fiainana sy nahita ny voka-tsoan’ny fikirizana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo ray sy reny
niteraka ahy, tiako ho fantatrareo fa fantatro fa izay noteneninareo sy
nataonareo dia ny hahatsara ahy. Fantaro fa tsy misy zavatra tiako ho hafa
kokoa tamin’ny fahazazana sy fahatanorana mamy sy feno fitiavana tanilanareo. Ny
fahazarana tsara sy ny soa toavina nomenareo dia sarobidy tamiko sy nanefy ilay
izaho androany. Tiako ho fantatrareo fa izay safidy nataoko, nety na tsy nety,
dia safidy tsy nataoko handratrana anareo fa safidy hianarako ny fiainana. Raha
azoko natao dia nakambako Soeda sy Madagasikara dia ho teo anilanareo foana aho
nanohana ny andavanandronareo amin’ny fahanterana.

Raha maty androany aho ka maty alohanareo telo dahy iray
tampo amiko, tiako ho fantatrareo fa mieritreritra anareo isan’andro aho na eo
aza ny elanelan-tany. Tsy misy andro lasa ka tsy hieritreretako anareo sy
hahatsiarovako ny fahazazana sy fahatanorantsika niaraka. Fatotra sy kofehy
amboniny tsy azon’inon’inona na iza iza tapahina ireny na tiana na tsy tiana.
Tiako ho fantatrareo fa na zoky tsy teo foana niaro sy nanohana izay safidy
nataonareo aza aho dia tsy niova aho fa mbola ilay zoky manahy sao tsy sambatra
ianareo. Ilay zoky manantena fa na tsy eo aza aho, na eo aza ny fiainana
nofidiana aleha avy, dia eo foana ianareo ho tia sy hikolokolo ny ray sy reny
nipoirantsika.

Raha maty androany aho dia tiako ho fantatr’i Maro koa fa
fantatro fa ilay hodiny mafy be toa hodi-tsokatra ety ivelany io no miaro ilay olona
be fitiavana, tia manampy, tia manoro sy manitsy izay tsy mety. Harena sarobidy
tsy voasolon’inon’inona na voasolon’iza n’iza ny fisianao tamin’ny fiainako,
Maro. Iza ny olon-tiana sady namana hahavita ho ahy ray masiaka be ronono sy
anadahy mpisangy ratsy raha tsy ianao? Tiako ho fantatrao fa ianao ilay olona
tsy vitan’ny fo fidiana irery nefa tsy tapaky ny saina lalaina irery. Matoa
tonga hatreto isika dia noho ny fiaraha-miasan’ny fahadalako sy ny fahendreko mikonokonona
amin’ny fiaraha-miasan’ny fahadalanao sy ny fahendrenao.

Raha maty androany aho, dia tsy maty aho fa matory. Satria
fantatro fa ao am-pon’izy mianadahy lalandava aho. Ianareo no anakandriamasoko
roa. Raha marary ianareo dia ory ny aty fanahiko. Faly ianareo dia sambatra aho.
Ianareo no zavatra tsara indrindra nihatra tamiko sy isaorako an’Andriamanitra
isan’andro. Izy koa no angatahiko hitari-dalana anareo sy hiaro anareo. Ny
faniriako lalina ao dia ny hahatsapanareo fa n’inon’inona mitranga amin’ny
fiainanareo, na tsara na ratsy, dia raisina sy ekena am-pahendrena. Rehefa avy
eo, ampiasao ny hery sy tanjakareo hanatrarana ny nofinofinareo rehetra.
Sambatra aho, tena sambatra aho manana anareo!

Raha maty androany aho, ampiakanjoy akanjo tsotra. Ataovy
anaty vata tsotra. Na anaty vazy tsotra. Aza mandany vola mividy voninkazo na
zavatra hafa. Fantatro fa tia ahy ianareo na izany aza. Ampiasao am-pahendrena iainanareo
fiainana tsara sy mendrika ny vola. Andefaso mora an’ireny hira tiako be nefa
mahasosotra anareo ireny aho dia tsofy rano handry am-piadanana. ’ndrao aho
hifoha eo, hanaraka ny dianareo, satria tsy foiko loatra ny fiainana misy
anareo.