Raha manokatra ny pejin’ny moov madagasikara momba ny fanabeazana ianao amin’izao isika miresaka izao dia hahita ireto sarim-baovao ireto mifandimby ao.


Tsy mila mamaky ny votoatiny akory ianao fa ny sary sy lohatenim-baovao dia miteny ho azy. Ny sary voalohany mampiseho lakilasy malagasy misy fanaka efa zary kaokan’ny taona maro ary ny sary faharoa miresaka ny fahazoana vola 55 tapitrisa dôlara ho an’ny fanabeazana malagasy. Firy isan-jaton’ireo vola ireo re no hitondra vokatra mivaingana ho an’ny mpianatra malagasy e?