Blog Image

...ho soratsoratra manainga fanahy

Penina, an’i Toetra Ràja

Fakafaka tononkalo Posted on 2018-05-06 10:01

PENINA

Na hisaona
Aho rahavako,
Ho moana
Koa ny vavako,
Ary ho osa
Ny famindra…
Mbola hisosa-
Sosa indrindra
Izato penina
Ilazany
Ireo afenina
Eto an-tany.

Toetra Ràja
05 novambra 2013

Endrey izany hakanton’ny
tononkalo izay hofakafakaintsika androany, tononkalon’i Toetra Ràja, poeta miangaly
ny rafitra “teny fohy isan’an-dalana”.

Ny tononkalo dia
miresaka ny fahatapahan-kevitra hanambara ny ao am-po sy ny ao an-tsaina. Eny,
na ny miafina indrindra tsy ho voaresaky ny molotra aza, dia azo antoka fa haboraky
ny “penina” eny ihany. Asehony fa tsy misy hanakana azy tsy hanoratra, na fisaonana,
na hamoanana, na fahosana sns sns. Rehefa mavesatra sy mafonja tokoa ny mihatra
amin’ny tena ara-batana, izany dia mety ho sakana lehibe tsy
hampi-te-hiloa-bava akory.

Miady rima ababcdcdefef
ny tononkalo ary ny andininy tokana nandrafetana azy dia tsotra sy mazava, tsy be
safary sy mivantana amin’izay hiantefany, “rahavako”. Ny olona antsoina hoe “rahavako”
dia olona akaiky ny tena, olona mora amborahana ny ao anaty. Koa na eo
aza ny antony maro mety hanakana ny molotra tsy hiloaka, dia hahita fomba hafa
hamoahana izay miafina sy “afenina” foana ny tena. Noho ny antony iray na hafa,
na noho “rahavako” ihany aza, dia hikorisa ny « penina », hakorisa, hasosa hilaza izay
tokony hambara.

Tsy milaza toerana sy
fotoana nitrangan’ny resaka ny tononkalo. Izany dia mahatonga ity tononkalo ity
handaitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, n’aiza n’aiza ary na rahoviana na rahoviana ahatsapana
tohitra tsy ahafahana milaza ny ao am-po mangina. Ny “penina” no ho vava miteny
sy mibitsika ny lalina indrindra tsy vita hotovozina. Ny “penina” no tsy hihambahamba hisosa rehefa tsy afaka mamindra intsony.

Ny fanontaniana
manitikitika ny saiko ihany eto am-pamaranana dia ny hoe: inona àry ny hafatra
tian’ny mpanoratra ambara amin’ny alalan’ny tononkalo? Azo raisina hoe manome toky
izy, nefa azo adika koa hoe mampitandrina. Na ahoana na ahoana, noporofoin’ny
mpanoratra tokoa fa nisosa ny penina ary nahasoratra boky mihitsy aza. Efa
anananao ve ny bokin’i Toetra Ràja Tiako, tiako foana? Ny fitiavana manoratra tokoa
no misesika mahatohitra izay mety ho sakana rehetra.



Rehefa filoha aho, an’i DadaRabe

Fakafaka tononkalo Posted on 2016-05-21 11:55

Efa ho
iray volana katroka izao no nanoratan’i DadaRabe, Andriamanarivo Paoly Rabe, ny
tononkalo « Rehefa filoha aho! ». Io tononkalo io no omena toerana eto
androany ka hofakafakaina sy hakàna lesona.

Rehefa
filoha aho…

Tsy handoa ekôlazy
Izay te ho minisitra
Ary tsy ho garazin’
ireo
mazàna gisitra
Ny
asam-panjakana…
Fa ny
olona madio
Sy tia
ny tanàna
No hitondra an’io!

Rehefa filoha aho…

Dia an’ny Malagasy
Ny harenam-pirenena
Fa tsy ho voapasipasin’
Ny ratsy tia ràn-kena
Ho any amin’ny vahiny
Ny soa sy ny tantely!
Tsy ho tompony maniry
Intsony i Gasy kely!

Rehefa filoha aho…

Dia fomba malagasy
No hampanjakaina
Fa tsy ho voatasitasin’
Ny fanjanahan-tsaina
Sy randrana avy an-dafy…
Mpiteraka krizy
Sy loza be mifafy…
Ny lohan’ny ankizy!

Rehefa filoha aho…

Dia rariny sy hitsiny
No hezahina hanjaka,
Ny maramara pitsony
Tsy hatao mahazo laka!
Ary hankasitrahana
Izay miasa sy mazoto,
Mijoro amin’ny marina…
Fa tsy ny jiolahim-boto!

Rehefa filoha aho…

Dia i ZANAHARY
No hiahy ny tany,
Hambomba tsy hanary!
Handrotsaka ny mamy!
Ary hiaraka isika,
Hikolo sy hahavita
Ny nosindrazantsika!
Handroso sy ho tafita…

…I Madagasikara…

…Rehefa filoha aho !

DadaRabe
Ambato
22/04/16 21:18

Ny
tononkalo dia miresaka momba izay hataony rehefa filoha izy: ny faniriany, ny
fikasany na angamba aza ny voadiny. Eo amin’ny lohateniny ”rehefa filoha aho”
fotsiny dia efa azon’ny mpamaky sahady fa hitanisa izay hitranga na izay
hataony rehefa izany izy ity. Ahatsiarovako zanaka iray mivoady amin’ny tenany
noho ny ratsy ataon’ny rainy ity tononkalo ity. Raha mpisotro toaka, mpamono
vady aman-janaka, mpijangajanga ny rainy dia mivoady izy fa rehefa lehibe dia
ho tia ny vadiny, hikolokolo ny zanany ary tsy hisotro toaka sy tsy hampirafy
izany izy.

Eo
am-pamakiana ny tononkalo dia tsapa sy fantatra ny zavatra irina sy ny zavatra
ankahalaina sy tsy tiana hisy na hiainana. Fa ny ”maramara”, zavatra ratsy toy
ny harem-pirenena atao ”pasipasy” dia tsy hisy intsony fa ny ”miasa sy mazoto,
mijoro amin’ny marina” no ankasitrahana. Malahelo sy tezitra noho ny zava-misy
ilay ”aho” ao amin’ny tononkalo ka manao drafitra izay hataony rehefa filoha
izy.

Ny
tononkalo dia voarafitra ho andininy 5 ka ny andininy tsirairay narafitra
mitovy samy manana andalana 8 avy, miady rima ABABCDCD. ”Zanahary”, ”tany”,
”tsy hanary”, ”mamy”, ”isika”, ”hahavita”, nosindrazantsika” sy ”tafita,
ohatra, no narafitra eo amin’ny andininy farany. Misy andalana iray
miverimberina manelanelana ny andininy avy: ny hoe ”rehefa filoha aho”.
Mandrindra sy manamora ny famakiana sy fahazoana ny hevitra tiana ambara ireo
teny ireo miverimberina. Na dia mahery fo sy feno fanantenana aza ny tononkalo
dia ahitana soritra na fahadisoam-panantenana sy hatezerana ao anatiny. Ohatra:
”tsy ho garazin’ireo mazàna gisitra ny asam-panjakana”; miseho eto, araka
izany, ny fihetseham-po maratra arahin’ny fahatapahan-kevitra ho amin’ny tsara,
”fa ny olona madio sy tia ny tanàna no hitondra an’io!”

Ny …,
teboka telo koa dia miverimberina efa ho inteloambinifolo eto. Ny teboka telo
dia mariky ny fiatoana na ny zavatra maro tiana ambara saingy tsy ho voatanisa
ka fintinina amin’ny teboka telo. Azo inona kokoa fa noho ireo fihetseham-po
samihafa misafotofoto ireo no mahatonga izany na dia hoe misava ihany aza izany
eo amin’ny faran’ny tononkalo.

Raha
ny teny ampiasain’i DadaRabe indray dia teny mora azo sy fampiasa andavanandro.
Ny ”ekôlazy”, ”garazy”, ”krizy”, ”pasipasy”, ohatra, dia teny nogasiana,
nampiasaina hahazoana tsy amin’ny fomba sarotra ny tian’ny mpanoratra
ampitaina. Ny ampitàna ny hafatra dia ”ny Malagasy” tompon’ny harena sy ”i Gasy
kely” isam-batan’olona. Miharihary tahaka ny vay an-kandrina mantsy ny
fahoriana lalina mahazo ny tanindrazana. Koa rehefa tsy nahomby ny fitondrana
teo aloha nifanesy dia mandini-tena sy miova filamatra isika.

”Rehefa
filoha aho!”. Tsy fantatra hoe iza ilay ”aho” ao anaty tononkalo. Mety ho i
DadaRabe ihany. Mety ho olon-kafa koa. Raha i DadaRabe dia tsy mahagaga
velively satria manana ny antony rehetra hahavitany manatanteraka ireo teny
omena ao anaty tononkalo izy. Nanovo fianarana ambony momba ny fitondrana izy
ary manana traikefa mafonja azo araraotina hananganana indray ny firenena.
Satria miresaka ny fiainam-pirenena malagasy ny tononkalo dia azo inoana koa anefa
fa mety tsy ho miresaka ny tenany i DadaRabe eto fa mamboraka ny fanirian’ny
mpiray tanindrazana aminy hanana Madagasikara ”mandroso sy tafita”. Firifiry
moa ny Malagasy mangetaheta fiovana sy fanadiovana tanteraka ny fitondrana
ankehitrio voaloton’ny fitiavan-tena sy ny kolikoly? Firifiry no tofoka sy leo
tanteraka ny mpitondra ka loa-bava koa hoe: Aok’izay!?



Atataovy, an’i DOX

Fakafaka tononkalo Posted on 2016-02-06 19:10

Tononkalon’i DOX
na i Jean Verdi Salomon Razakandraina (1913-1978) indray no omena toerana manaraka:
Atataovy. Tononkalo nalaina avy ao
amin’ny Takelaka notsongaina I, pejy 26.

”Sonnet” mirafitra ho andininy 4 manana andalana 14 ny tononkalo ka ny
andininy roa voalohany samy manana andalana efatra avy ary ny andininy roa
farany samy manana andalana telo avy. Toy ny ”sonnet” rehetra dia mifono
eritreritra lalina sy mahaliana ny andininy telo voalohany ary narafitra hiafara
amin’ny andalana telo farany izay mamosaka ny hevitra lalina indrindran’ny tononkalo.

Miady rima AABB CCDD EEF GGF ny tononkalo ary ny andininy tsirairay dia
samy miantomboka amin’ny fehezan-teny mitovy: ”Atataovy aho, ray olona”. Ny hoe
”atatao” dia teny fampiasa rehefa hampakatra entana mavesatra hankeo an-tsoroka
ny tena na rehefa hiloloha zavatra. Raha mavesatra matetika ny entana
holanjaina eo an-tsoroka dia sarotra ny hampakatra irery ny entana amin’ny tena
raha tsy misy olona iray manampy manohana ny entana tsy hianjera na hiraraka amin’ny
tany.

Noho izany, olona miantso vonjy sy mila fanampiana, angamba eo
amorom-pantsakana iray no asongadin’ny tononkalo. Sahirana irery izy ka miantso olona hitatao
azy. Ankoatra ny lalana malama, ny hetahetany sy ilay siny tokana hany ananany
dia sahirana indrindra izy noho ilay ‘havany’ izay angamba koa niara-nantsaka
taminy teo ihany saingy efa nialoha azy ka tiany hotratrarina. “Atataovy aho,
ray olona”, hoy ny antsony miverimberina. Izay no vahaolana heveriny fa
haingana sy mahomby. Fanampiana ivelan’ny tenany sy ivelan’ilay tiany izay toa
tsy mahazo an’eritreritra akory ny fahasahiranany.

Sarinteny vitsivitsy
no ampiasain’i DOX hampitana izany rehetra izany amin’ny fomba kanto. Sarinteny
efatra, iray isaky andininy avy no singanina hofakafakaina fohy hanazavana ny
ohatra entin’ny mpanoratra hilazana ny zava-manahirana ilay ‘izaho’ ao anaty
tononkalo.

Ny tany eny
am-pantsakana matetika dia vonton-drano noho ny rano afindrafindra siny. Saingy
teto toa rano nitroatra noho ny nanandramany nitatao irery ny siny no nanakotsa
azy mampalahelo sy nahavonto ny tany diaviny ka tsy misy hamikirany akory. Ny lalana
malama àry dia mampiseho ny sarotra hodiavina satria na tsy hikorisa hianjera
eo aza ny tena dia ho sahirankirana ihany mandeha.

Araka ny azontsika
an-tsaina dia manondro ny fitiavana ny rano. Eo amin’ny andininy faharoa dia “nisahiranany”
toy ny nakàna ilay rano iray siny ilay fitia antenainy hahafaka “hetaheta”.

Noho izany indrindra no ilàny olona hitatao azy. “Tokana ’ty siny ity”, hoy izy. Tokana ny fo. Ny
fo izay itoeran’ny fitiavana. Tsy ny fo tokana ho rotika tsy misy hitondrana ny
fitiavana ihany anefa no mampanahy azy fa ilay malalany antsoiny koa hoe “havana”
eo amin’ny andininy fahaefatra farany.

“He ‘ty elanelanay!”,
hoy izy, lany fanahy. Ny elanelana dia mampiseho fifanalavirana. Izy, mbola
tavela eo am-pantsakana tsy mbola mahatatao akory ny sininy, nefa ilay tiany
efa ery an-kodimirana efa ho dila tsy ho tazan’ny masony intsony. Raha
elanelana ara-bakiteny aza sahirana izy vao hahatratra azy, mainka fa raha elanelana
an-tsary? Fahasamihafana isan-karazany tokoa mantsy no tsy maharaikitra ny
fitiavana: toy ny tsy fitovian-tsaranga, na ny tsy fitoviam-pirazanana, ohatra.
Iza
moa no mahalala raha efa nahatsapa ilay “elanelana” koa ilay tiany ka naleony
niala teo mialoha hamela any aoriana izay karazam-pahasahiranana entin’ny
fitiavana tsy anjara?



Fifanenana, an’i R.H.A. Nary

Fakafaka tononkalo Posted on 2015-10-10 04:06

Ny fotoana inona eo amin’ny fitiavana, na ny fifankatiavana no
mamy indrindra? Ilay eo am-piandohana vao nifamborahana fihetseham-po sa aorian’ny
taona vitsy na maromaro nifankahalalana bebe kokoa sa ilay aorian’ny fotoana
nisarahana noho ny antony tsy ho voatanisa? Hafakely fa araka ity tononkalo mitondra
ny lohateny hoe ”Fifanenana” hofakafakaina eto ity dia mamy dia mamy tokoa na dia
ilay fotoana fohy sady nifanenana no nifandaozana aza.


Izany ka kanto! Tsy
noho izy miady rima sy mirafitra ho tononkalo ihany no mahakanto ity tononkalo
ity. Tsinontsinona akory aza izany manoloana ny hakanton’ny fitiavana raketiny;
fitiavana tsy lazain-teny, fitiavana ahanjahanjan’ny fijery sy fihetsiky ny
olon-droa tsy mifankahalala akory; mifanopy maso, mifanara-maso, mifanintona, mifampitsiky,
mifandao nefa mifaningotra eritreritra. Ahoana no amoahan’ny poeta ny tononkalo
izany rehetra izany?

Baraingo, vinavina, eritreritra no
anombohany ny tononkalo entina isarihana ny fahalianan’ny mpamaky. ”Izay tena
tao am-pony tsy fantatro mihitsy”, hoy ny andalana voalohan’ny tononkalo toa miantso
vonjy amin’ny mpamaky sao mety misy mahafantatra. Amin’ny teny tsotra sy mora
azo no andokoan’ny poeta ny fisehoan-javatra rehetra avy eo ka toa hitan’ny maso
ery ny fizotran’ny zavatra rehetra. Faritany ny toerana: “an-tenantenana làlana
mahitsy”, ny fihetsika madinik’izy roa mifanena, ny maso mody tsy mahita, ny
haingo tsara voatra, ny henatra, ny tongotra saika nifamingana, ny maso
mifampitodika indray ary ny tongotra roso samy mandeha amin’ny lalany.

Ny antony hafa iray maha-avo lenta
ny tononkalo dia ireo olon-droa ao anatiny, tsy voafaritra na ny azo inoana
kokoa, niniana tsy nofaritan’ny mpanoratra, na lehilahy na vehivavy. Ny vokany
dia na iza na iza, na lehilahy na vehivavy, no mamaky ny tononkalo dia afaka maka sary an-tsaina ny tenany
ho ny iray amin’ireo mifanena. Toa miaina ny tantara mihitsy ny tena eo
am-pamakiana ary tsy taitra amin’ny nofinofy raha tsy nifarana tamin’ny “Dia
izay!!” ny tononkalo. “Dia izay” tsy nisy tohiny. Iza tokoa moa no tsy efa
nandia zavatra toy izany saingy avy eo nanadino? Ny an’i R.H.A. Nary na Andrianarinjato
Rakotoarisoa Harry
noraketiny an-tsoratra tsara rindra ka mitoetra hamohafoha
ny fahatsiarovan’ny hafa.



Ô ry Zenevievy!, an’i DadaRabe

Fakafaka tononkalo Posted on 2015-03-08 08:59

Andeha homarihintsika amin’ny tononkalon’i DadaRabe « Ô ry Zenevievy » ny andro anio, 08 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Notsongaina manokana tamin’ireo tononkalo aman-jatony navoakan’i DadaRabe ao amin’ny boky amboaran-tononkalo Tiako, tena tiako! (2015, tak. 66) izy ity noho ny hevitra lalina fonosiny.

Raha ny firafitry ny tononkalo no resahina dia andininy efatra mitovy, samy mirakitra andalana enina avy ary miady rima AABBCC… no mandrafitra azy. Teny tsotra fampiasa andavanandro ny teny ampiasain’ny mpanoratra ary mivantana ka mora azo ny hafatra tiana ambara amin’ity tovovavy mitondra ny anarana hoe Zenevievy ity.

Eo amin’ny andininy voalohany dia mitanisa ireo zavatra tsara ananan’i Zenevievy ny poeta: tsara endrika, bolangina takolaka sy manganohano maso. Izany tokoa no fomba mahomby indrindra raha hanolotra tsikera ny tena: asongadina aloha ireo lafitsara vao tononina ny indro kely.

Be lalao any ivelan’ny trano i Zenevievy araka ny eo amin’ny andininy faharoa ary mampitandrina ny tena zava-misy izy mba hieritreretan’i Zenevievy. « Jiolahy no betsaka any! », hoy izy tsy misalasala. Ao an-trano ny toerana tsara indrindra. Iza tokoa moa no tsy hiato hisaina raha maniry tokoa hampidi-doza ny fiainany amin’izay jiolahy any ivelany?

Asa anefa na naniratsira sy nanampin-tsofina fotsiny i Zenevievy ka lasa ihany fa bedy sy voatrerona mihitsy. Eo amin’ny andininy fahatelo dia vao mainka mitanisa ny tsy mety ataon’i Zenevievy ny mpanoratra. « Manaram-po miliba sy tia manivaiva », hoy izy tezitra mafy satria ny ray aman-dreny mila « ho lasa adala » araka ny tononiny eto dia azo antoka fa ireo miandry ao an-trano.

Tsy mitsikera be fahatany an’i Zenevievy anefa ny mpanoratra na izany aza fa manolotra soso-kevitra koa ny amin’izay tokony hatao. Tokony hiova i Zenevievy. Eo amin’ny andininy fahaefatra sady farany dia tsy afeniny ny tebiteby sy fanahiany ny amin’ny hoavin’i Zenevievy. Nahoana tokoa moa no tsy hanahy manoloana ny zava-misy sy « korontana »?

Eto am-pamaranana dia tiako ny manamarika fa ny ‘Zenevievy’ dia anarana amin’ny teny frantsay izay nogasian’i DadaRabe. Anarana mampihomehy sy tsy dia manintona firy. Rehefa namaky fanindroany ny tononkalo anefa aho dia navadiky ny masoko ho ‘a’ ny ‘e’ ka novakiako ho ‘Zanaviavy’ ny ‘Zenevievy’. Zanaka vavy… na zana-behivavy. Ny zanaka rehetra, na lahy na vavy. Noho izany, azo ampiharina amin’ny zanaka rehetra ity tononkalo ity rehefa dinihina lalina. Zanaka malagasy. Zanaka variana.



Suivant »